Matsiatra
I Matsiatra dia reniranon' i Madagasikara, mikoriana mankany andrefana ka manompo ny ony Mangoky, manana halava 410 km, mamakivaky ny faritra Matsiatra Ambony sy ny faritra Amoron'i Mania ary ny faritra Atsimo-Andrefana, mihaona amin'i Mananatana mba hamorona an'i Mangoky. Manondraka tanimbary midadasika i Matsiatra, ka isan' izany i Vinanitelo sy i Mahasoabe ao amin'ny faritry ny Betsileo. Izy no manasaraka ny distrikan'i Lalangina amin'ny distrikan'i Vohibato, ary ny faritra Matsiatra Ambony amin'ny faritra Atsimo-Andrefana. Manompo azy ireto renirano tanisaina manaraka iretoː Mandranofotsy, Isandra, Ioninarivo, Fanindrona, Vodindrana, Mahatsaombato, Imatantika, Manambaroa, Manatsahala ary Bevoay.
Jereo koa hanova
🔥 Top keywords: Wikipedia:FandraisanaManokana:FikarohanaTantaran' i MadagasikaraManokana:Fiovana faranyAdy Lehibe FaharoaKabary famangianaWiki HowFanandroana malagasySary:SARS-CoV-2 without background.pngKabary am-panambadianaMadagasikaraFoxWikipedia:DinikaTetiandro malagasyKolontsaina malagasyWikipedia:FikambananaFiraisana ara-nofoBetsimisarakaRepoblika Demokratikan'i KongoFanagasianaFaritra ItasyDokuWikiBokin' ny SalamoWikipedia:MombamombaKabary tera-baoAdaoroVintana (finoan-drazana malagasy)AdizaozaIràkaWikipedia:General disclaimerRanavalona IAlakaosyChristian GobrechtWikipedia:Tonga soaAdimizanaMerinaDidy FoloFoko eto MadagasikaraRepoblika Fahefatra (Madagasikara)