Fiteny ao Amerika Atsimo

Ny fiteny ao Amerika Atsimo dia fiteny maro isan-karazany, ka isan' izany ireo fiteny amerindiana ao Amerika Atsimo izay mahatratra 600 isa any ho any, voatsinjara ao amin' ny fianakaviam-piteny miisa 118. Ahitana fiteny miisa 32, ohatra, ny ao Bôlivia izay voantsinjara ao amin' ny fianakaviam-piteny miisa 15, sady ahitana fiteny manirery miisa enina. Ahitana fiteny miisa 68 ny ao Kôlômbia izay mitsinjara amin' ny fianakaviam-piteny miisa 13, ka ny 10 dia fiteny manirery. Misy anefa ny fifangarihan' ny zava-misy eo amin' ireo fiteny lehibe (fiteny andina sy fiteny goarany) sy ireo fiteny madinika amazôniana. Tenenin' ny mponina ao koa ny fiteny nampidirina tamin' ny vanimpotoan' ny fanjanahan-tany sy ny fiteny nentin' ny mpifindra monina ary ny fiteny kreôly niforona taty aoriana.

Ireo fiteny amerindiana be mpiteny indrindra ao Amerika Atsimo: ketsoa (manga), goarany (mavo), aimara (volomboasary), nahoatla (mena), maiana (maitso), mapodongona (maitny).

Fiteny avy any Eorôpa hanova

Ireo fiteny eorôpeana lehibe tenenina ao Amerika Atsimo

Ny fiteny dimy nampidirin' ny mpanjana-tany tao Amerika Atsimo dia ny fiteny espaniôla, ny fiteny pôrtogey, ny fiteny anglisy, ny fiteny neerlandey ary ny fiteny frantsay. Misy ihany koa ny mponina miteny italiana ao Amerika Atsimo. Ny fiteny pôrtogey no fiteny tenenin' ny olona maro anisa indrindra ao Amerika Atsimo satria ny mponina ao Brezily dia 49 %n' ny mponin' i Amerika Atsimo manontolo sady satria ny tahan' ny mpiteny pôrtogey dia manakaiky ny 100 % ao Brezily, nefa ny mponin' ny firenena miteny espaniôla dia tsy miteny espaniôla zato isan-jato.

Maro ny fiteny kreôly izay niforona teo amin' ireo andevo, indrindra ny nipoitra tao amin' ny tany sy zanatanin' ny Tandrefana aty Afrika.

Ny fiteny amerindiana hanova

[[Sary:SouthAmerican families.png|vignette|272x272px|Ireo fianakaviam-piteny amerindiana any Amerika Atsimo (tsy hita ao ny fiteny ketsoa sy ny fiteny aimara ary ny fiteny mapodongona).Ny vahoaka indianan' i Amerika Atsimo, izay misa an-tapitrisany maro, dia voatosika tsikelikely any anatin' ny tanibe. Na dia be dia be toy izany aza izy ireo dia tsy nahantoka ny faharetan' ny fiteny amerindiana izay tandindomim-pahafatesana amin' ny ampahany. Sokajina arakaraka ny habetsahan' ny mpiteny azy ireo fiteny amerindiana ireo.

Fiteny lehibe hanova

Miisa efatra ireo fiteny amerindiana lazaina hoe "lehibe" ao Amerika Atsimo:

Fiteny amazôniana hanova

Ny fiteny amazôniana dia tenenina ao amin' ny firenena sivy ao amin' ny saha amazôniana, dia i Brezily, i Venezoela, i Goiana Frantsay, i Goiana, i Sorinama, i Kôlômbia, i Pero ary i Bôlivia. Ny ankamaroan' ireo fiteny ireo dia tandindomim-pahafatesana.

Jereo koa hanova