Fahagagana nataon' i Jesoa

(tonga teto avy amin'ny Fahagagana nataon'i Jesoa)

Ny fahagagana nataon' i Jesoa na fahagagana nataon' i Jesosy dia ny zava-niseho tsy araka ny lalànan' ny natiora izay notanterahin' i Jesoa na Jesosy araka ny Testamenta Vaovao. Araka ny voasoratra ao amin' ny evanjely kanônika na filazantsara kanônika dia nanao fahagagana i Jesoa ka nitana toerana lehibe izany. Nisy fanasitranana mahagaga sy famoahana demonia vokatry ny finoana. Nisy koa ny fanovana ny rano ho divay tamin' ny fampakaram-bady tao Kanà. Nisy ny fananganana amin' ny maty sahala amin' ny an' i Lazarôsy (na Lazara), ny fampitomboana ny mofo sy ny hazandrano.

Nampahiratra ilay teraka jamba i Jesoa, sary nataon' i Nicolas Colombel

Ny evanjely dia ahitana karazana fahagagana telo notanterahin' i Jesoa, dia ny fandroahana fanahy ratsy sy ny fanasitranana aretina ary ny fanehoana zava-mahatalanjona eo amin' ny zavaboary [1]. Ao amin' ny Evanjelin' i Joany na Filazantsaran' i Jaona dia antsoina hoe "famantarana" ny fahagagana sady io evanjely io dia manantitra ny asan' Andriamanitra izay ao ambadik' ireo fahagagana ireo[2]. Ao amin' ny Testamenta Vaovao dia ny fitsanganan' i Jesoa tamin' ny maty no fahagagana lehibe indrindra ka io no ivon' ny finoan' ny Kristiana. Ao amin' ny Testamenta Vaovao i Jesoa dia manazava fa ny fahagagana dia tanteraka amin' ny alalan' ny finoana an' Andriamanitra, araka ny hita ao amin' ny Evanjelin' i Matio na Filazantsaran' i Matio (Matio 17.20)[1][3].

Lisitry ny fahagagana nataon' i Jesoa

hanova
LaharanyZava-nitrangaAraka an' i MatioAraka an' i MarkaAraka an' i LiokaAraka an' i Joany
1Fampakaram-bady tao KanàJoa 2. 1-11
2Fanasitranana ilay lehilahy misy demonia tao KafarnahomaMar 1. 21-28Lio 4. 31-37
3Ilay jono mahagagaLio 5. 1-11
4Fanaganan-kovelona tao NainaLio 7. 11-17
5Fanasitranana lehilahy bokaMat 8. 1-4Mar 1. 40-45Lio 5. 12-16
6Fanasitranana ny mpanompon' ilay miaramila rômanaMat 8. 5-13Lio 7. 1-10
6Fanasitranana ny zanak' ilay manamboninahitraJoa 4. 46-54
7Fanasitranana ny rafozam-bavin' i PeteraMat 8. 14-15Mar 1. 29-34Lio 4. 38-41
8Fandroahana fanahy ratsy tao KapernahomaMat 8. 16-17Mar 1. 32-34Lio 4. 40-41
9Fampitsaharana ny rivo-maheryMat 8. 23-27Mar 4. 35-41Lio 8. 22-25
10Fandroahana demonia tao amin' ny GadarenianaMat 8. 28-34Mar 5. 1-20Lio 8. 26-39
11Fanasitranana ilay mararin' ny paralisisaMat 9. 1-8Mar 2. 1-12Lio 5. 17-26
12Fanaganan-ko velona ny zanaka vavin' i JairoMat 9. 18-26Mar 5. 21-43Lio 8. 40-56
13Fanasitranana ilay vehivavy very raMat 9. 20-22Mar 5. 24-34Lio 8. 43-48
14Fanasitranana ny jamba roalahyMat 9. 27-31
15Fanasitranana ilay olona misy demonia moanaMat 9. 32-34
16Fanasitranana tao amin' ny dobon' i BetesdaJoa 5. 1-18
17Fanasitranana ilay lehilahy malemy tananaMat 12. 9-13Mar 3. 1-6Lio 6. 6-11
18Fandroahana fanahy ratsy tamin' ilay jamba sy moanaMat 12. 22-28Mar 8. 20-30Lio 11. 14-23
19Fanasitranana ilay vehivavy mivoko-damosinaLio 13. 10-17
20Fampitomboana ny mofo hamokisana lehilahy miisa 5 000Mat 14. 13-21Mar 6. 31-34Lio 9. 10-17Joa 6. 5-15
21Nitsangantsangana teny ambony rano i JesoaMat 14. 22-33Mar 6. 45-52Joa 6. 16-21
22Fanasitranana olona maro tao GenesaretaMat 14. 34-36Mar 6. 53-56
23Fanasitranana ny zanaka vavin' ilay vehivavy kananitaMat 15. 21-28Mar 7. 24-30
24Fanasitranana olona marenina tao DekapôlisyMar 7. 31-37
25Fampitomboana ny isan' ny mofo hamokisana lehilahy miisa 4 000Mat 15. 32-39Mar 8. 1-9
26Fanasitranana ilay olona jamba tao BetsaidaMar 8. 22-26
27Fiovan-tarehin' i JesoaMat 17. 1-13Mar 9. 2-13Lio 9. 28-36
28Fanasitranana ilay olona torantoranaMat 17. 14-21Mar 9. 14-29Lio 9. 37-49
29Ilay vola tao am-bavan' ny trondroMat 17. 24-27
30Fanasitranana ilay lehilahy maniranoLio 14. 1-6
31Fanasitranana ny boka foloLio 17. 11-19
32Fanasitranana ilay teraka jambaJoa 9. 1-12
33Fanasitranana ny jamba teo akaikin' i JerikôMat 20. 29-34Mar 10. 46-52Lio 18. 35-43
34Fanaganan-kovelona an' i LazarôsyJoa 11. 1-44
35Ilay aviavy tsy namoaMat 21. 18-22Mar 11. 12-14
36Fanasitranana ny sofin' ilay mpanompoLio 22. 49-51
37Ilay jono mahagagaJoa 21. 1-24

Jereo koa

hanova

Loharano sy fanamarihana

hanova
  1. 1,0 et 1,1 Funk, Robert W. and the Jesus Seminar. The acts of Jesus: the search for the authentic deeds of Jesus. HarperSanFrancisco. 1998. Introduction, p. 1–40
  2. William Temple, Readings in St John's Gospel (p. 33)
  3. "Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan'ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ , dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao." (Matio 17.20).