Anatole France
I Anatole France na François Anatole Thibault dia mpanao asa soratra mizaka ny zom-pirenena frantsay, teraka tamin' ny 16 Avrily 1844 tao Paris ary maty tamin' ny 12 Oktobra 1924 tao Saint-Cyr-sur-Loire (Indre-et-Loire), isan' ireo lehibe indrindra tamin' ny vanim-potoanan' ny Repoblika Fahatelo, izay iray amin' ireo mpitsikera literatiora lehibe indrindra. Lasa iray amin' ireo mpanetsika ny feon' ny fieritreretana nanan-danja indrindra tamin' ny androny izy, nanolo-tena tamin' ny antony ara-tsôsialy sy ara-pôlitika maro tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20. Nahazo ny Loka Nobel ho an' ny Literatiora izy noho ny asany tamin' ny 1921.
🔥 Top keywords: Wikipedia:FandraisanaManokana:FikarohanaAdy Lehibe FaharoaKabary famangianaWikipedia:FikambananaFiraisana ara-nofoDokuWikiKabary am-panambadianaTantaran' i MadagasikaraMaurice BéjartRongonyndl79Wiki HowIsaia (mpaminany)Wikipedia:Community PortalFanandroana malagasyTompondakan'ny baolina kitra Eoropeana 2024Foko eto MadagasikaraCristiano RonaldoBokin' i HenôkaMadagasikaraPragueVintana (finoan-drazana malagasy)Didy FoloSokajin-tenyEtazoniaMalagasy (vahoaka)TabascoIdealy TendrinavalonaAmboasary-AtsimoKabary tera-baoListe des indicatifs téléphoniques internationaux par paysBokin' i IsaiaSidonie FiadanantsoaLoharano QEndrika:All system messagesZava-mahadomelinaWikipedia:DinikaFaritra Anosy