Sôza

(tonga teto avy amin'ny Sôja)

Ny sôza na sôja dia zavamaniry maniry isan-taona, mitovitovy amin' ny tsaramaso, ambolena hahazoana an' ilay voany misy menaka, avy any Azia Atsinanana, nefa volena betsaka manerana izao tontolo izao. Ny sôja dia zavamaniry misy tsibolobolo, mijoro, mirefy 60 sm hatramin' ny 100 sm ny haavony, mitambatra tsitelotelo amin' ny tahokely ny raviny, misy voniny kely miloko fotsy na mavo, ary misy pepany misy voany iray hatramin' ny efatra.

Sôza

Ny sôza, izay atao amin' ny anarana ara-tsiansa hoe Glycine max, dia ao amin' ny fianakaviana Leguminosae (Fabaceae).

Sôza: endrika ankapobeny

Mahatratra ny fahalehibeazany ny sôza eo anelanelan' ny 90 sy 150 andro aorian' ny fambolena azy. Mivadika mavo ny raviny avy eo, ary mihintsana ary lasa mivolontakatra haingana ny pepa rehefa maina. Ny voany, saika boribory, miloko mavo tanora na mainty na volontakatra na maitso, dia misy menaka 20 % sy prôteinina 40 %.

Ny sôza, izay voly tranainy be any any Azia Andrefana (Sina sy Japana ary Kôrea) dia nampidirina tany Etazonia tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-19 ary nambolena hohanina. Ny ankamaroan' ny karazana ambolena any Eorôpa ankehitriny dia nohatsaraina tany Etazonia noho ny fandrosoan' io firenena io amin' ny fambolena sôza.

Famokarana voan-tsôja (taonina)

Angona avy amin’ny FAOSTAT (FAO)

Firenena201420162017
Etazonia106 877 870116 920 300119 518 490
Brezily86 760 52096 394 820114 599 168
Arzentina53 397 71558 799 25854 971 626
Sina12 155 17312 791 95513 152 688
India10 374 00013 159 00010 981 000
Paragoay9 975 0009 163 03010 478 000
Vondrona Eorôpeana1 859 1262 473 7422 667 769
Maneran-tany306 207 046335 508 753352 643 548

Ny vokatra roa mifototra amin' ny sôza dia ny lafarinina sôza sy ny menaka sôza. Ny menaka dia ampiasaina amin' ny sakafo, na manta na efa nisy fanomanana, ary ampiasaina koa amin' ny indostria (loko, verny, sns).

Any amin' ny firenena izay tsy ampy prôteinina ny sakafo dia mitombo ny fampiasana ny lafarinina sôza amin' ny sakafon' olombelona, fa any amin' ny firenena mandrosokosa dia io no famenon-tsakafo misy prôteinina ho an' ny biby. Ampiasaina amin' ny sakafom-biby koa ny faikan' ny sôza avy nanesorana menaka.

Jereo koa hanova