Bug Atsimo
I Bug Atsimo na Bug Atsinanana na Buh Atsimo na Buh Atsinanana dia ony any andrefana amin' i Okraina, 806 km ny halavany. Mikoriana mianatsimo-atsinanana eo anelanelan' ny lohasahan' i Dniestr (andrefana) sy ny lohasahan' i Dniepr (atsinanana), ary mivarina ao amin' ny Ranomasina Mainty akaikin' ny vavaranon' i Dniepr. Izy no ony na renirano faharoa lava indrindra ao Okraina. Tsy azo ifamivoizana miakatra mihoatra ny 160 km miala ny vavavaranony i Bug Atsimo, noho ny fisian' ny riambe sy ny tohadrano ary ny fasika manembantsembana ny lalany.
Atao hoe Південний Бугb / Pivdennyi Buh izy amin' ny teny okrainiana, Южный Буг / Iuzhny Bug kosa amin' ny teny rosiana, Bug amin' ny teny romaniana; Bugul de Sud na Buh amin' ny teny pôlôney.
Jereo koa hanova
🔥 Top keywords: Wikipedia:FandraisanaWiki HowWikipedia:MombamombaManokana:FikarohanaChris HeckerAdy Lehibe FaharoaFiteny malagasyKabary famangianaManokana:Fiovana faranyMadagasikaraSokajy:AterinetoTantaran' i MadagasikaraKabary am-panambadianaFitsarana faranyDokuWikiLiona (antokon-kintana)Wikipedia:Community PortalWikipedia:General disclaimerWikipedia:DinikaFiraisana ara-nofoWikipedia:FikambananaFanandroana malagasyFoko eto MadagasikaraJean NarivonyEtazoniaAmbohimangaFanagasianaTetiandro malagasySikidy (malagasy)FilôzôfiaSikidy malagasySaddam HusseinKolontsaina malagasyFanalan-jazaRepoblika Fahefatra (Madagasikara)Endrika:All system messagesDinika amin'ny Wikipedia:DinikaRajoelina AndrySakalava