Eskimô
Ny Eskimô dia ireo mponina tompon-tany any faritr' i Arktika izay monina any Alaska, any amin' ny faritra Avaratra Lehibe Kanadiana, any Grinlandy ary any amin' ny tapany atsinanana amin' i Siberia. Manondro ny vahoaka Inoita sy Iopika ny teny hoe Eskimô.
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/3a/Inuit_conf_map.png/282px-Inuit_conf_map.png)
Na dia ny vahoaka inoita aza no maro an' isa amin' ireo antsoina hoe Eskimô, io teny io dia naampiasain' ireo mpahita tany tamin' ny taonjato faha-19 izay tsy nanavaka foko manokana. Ny Inoita koa dia tsy mampiasa io anarana io hanondroany ny tenany sady heverin' izy ireo fa mifono fanavakavahana na manambanimbany mihitsy aza.
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/5/5c/Escimaux_building_a_snow-hut.jpg/220px-Escimaux_building_a_snow-hut.jpg)
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/8c/Inupiat_Family_from_Noatak%2C_Alaska%2C_1929%2C_Edward_S._Curtis_%28restored%29.jpg/220px-Inupiat_Family_from_Noatak%2C_Alaska%2C_1929%2C_Edward_S._Curtis_%28restored%29.jpg)
Ny atao hoe "fiteny eskimô" dia manondro ihany koa ny vondrom-piteny ao amin' ny fianakaviam-piteny eskimô-aleota izay ahitana ireo fiteny inoita sy ireo fiteny iopika.