Bug Atsimo
I Bug Atsimo na Bug Atsinanana na Buh Atsimo na Buh Atsinanana dia ony any andrefana amin' i Okraina, 806 km ny halavany. Mikoriana mianatsimo-atsinanana eo anelanelan' ny lohasahan' i Dniestr (andrefana) sy ny lohasahan' i Dniepr (atsinanana), ary mivarina ao amin' ny Ranomasina Mainty akaikin' ny vavaranon' i Dniepr. Izy no ony na renirano faharoa lava indrindra ao Okraina. Tsy azo ifamivoizana miakatra mihoatra ny 160 km miala ny vavavaranony i Bug Atsimo, noho ny fisian' ny riambe sy ny tohadrano ary ny fasika manembantsembana ny lalany.
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/49/Sunset_at_Southern_Bug_in_Vinnytsia_2007.jpg/220px-Sunset_at_Southern_Bug_in_Vinnytsia_2007.jpg)
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/6/6e/PietinisBugas.png/220px-PietinisBugas.png)
Atao hoe Південний Бугb / Pivdennyi Buh izy amin' ny teny okrainiana, Южный Буг / Iuzhny Bug kosa amin' ny teny rosiana, Bug amin' ny teny romaniana; Bugul de Sud na Buh amin' ny teny pôlôney.
Jereo koa
hanova🔥 Top keywords: Wikipedia:FandraisanaManokana:FikarohanaMaurice BéjartAdy Lehibe FaharoaFiraisana ara-nofoKabary famangianaDokuWikiWiki HowFanandroana malagasyVintana (finoan-drazana malagasy)DesambraTantaran' i MadagasikaraKolontsaina malagasyKabary am-panambadianaMadagasikaraWikipedia:DinikaTetiandro malagasyBokin' i EzraRanavalona IOlombelonaMesgrignyWikipedia:Efemerida/toromarikaAngatra (aretina)FanatontoloanaWikipedia:Community PortalFiteny malagasyFivavahanaEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Razana (finoana malagasy)Wikipedia:MombamombaLohasahaFoko eto MadagasikaraKabary tera-baoSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaFanambaràna ny hevitry ny nofyIsaac AsimovManokana:Fiovana faranyMangaEtazonia