Ny voaniho na voanio dia hazo fihinam-boa miely amin’ ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany eto amin’ izao tontolo izao. Ny voaniho dia isan' ny fianakavian' ny hazo palma (Arecaceae) ary izy ihany no hany karazana miaina, ilay karazana Cocos. Cocos nucifera no anarana ara-tsiansany.

Ravina sy voam-boaniho

Endriky ny voaniho hanova

Ny vatany sy ny raviny hanova

Voaniho

Miendrika varingarina manana savaivo 45 sm izy ary mety mahatratra 30 m ny haavony. eny amin’ ny tampony no misy ny raviny misandrahaka entin’ ny tahon-draviny miisa 20 any ho any, maniry miakatra avy eo mibiloka mianambany, izay manana halava eo anelanelan’ ny 3 m sy 4,5 m.

Ny voany hanova

Voam-boaniho mbola kely
Vatan' ny voanio

Ny voany dia maniry mitangorona miisa 10 hatramin’ ny mihoatra ny 20. Mirefy 30 sm eo ho eo ny voan’ ny voaniho rehefa lehibe. Miendrika boribory lavalava izany sady misy hodiny mafy toy ny vato voafono hodiny matevina be tsiratsiraka.

Fampiasana ny voaniho hanova

Fampiasana ny voany hanova

Voam-boaniho voala hodiny

Miloko fotsy sady mitahiry menaka azo hanina na anaovana zavatra hafa (savony, labozia) ny nofom-boany poaka aty ao anatin’ izany hodiny izany. Ao anatin’ io nofony fihinana io dia misy ranony toy ny ronono sady mamimamy. Sakafo mahavelona ny nofom-boan’ ny voaniho any amin’ ireo faritra aniriany eto amin’ izao tontolo izao. Azo anamboarana doberam-boanio ny nofom-boany.

Fampiasana ny taova hafa hanova

Azo anamboarana rindrina, tafo, tsihy, harona, satroka, sahafa, sns ny ravim-boanio maina. Ny tsiraka amin’ ny hodim-boan’ ny voaniho dia azo anamboarana tady sady azo aparitaka amin’ ny zaridaina hampahazo rivotra ny nofon-tany.

Jereo koa hanova